Romain Metanire: naaton’ny Minnesota United

Nisaoran’ny klioba amerikanina Minnesota United,  ilay mpilalao baolina kitra malagasy, i Romain Metanire. Tsy nohavaozina intsony ny fifanarahana taminy. Tsy manana klioba izany ity vodilaharan’ny Barea ity, ankehitriny

Hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly talata, fa naaton’ny ekipan’ny Minnesota United,  ilay mpilalao baolina kitra malagasy, i Romain Metanire. Tsy nohavaozina intsony ny fifanarahana teo aminy sy ity klioba diviziona voalohany any Amerika ity, izay mifaninana ao anatin’ny Major League Soccer (MLS).

Nilaza ity ekipa ity fa noho ny ratra mahazo azy matetika no tena antony nampijanonana an’i Romain Metanire, raha toa ka amin’ny taona ho avy izao vao hifarana ny fifanarahana.

Raha atao ny jery todika, nanomboka ny filalaovany baolina tamin’ny maha matihanina azy tao amin’ny klioban’ny Metz Frantsa izy, ny taona 2010 ka hatramin’ny 2016. Nifindra lasy tany Belzika, tao amin’ny KV Courtrai, ny taona 2016 – 2017. Niverina tany Frantsa indray ny 2017 ka nilalao tao amin’ny Stade de Reims, hatramin’ny 2019. Nanomboka nisongadina ny anarany ka nahatonga azy nifindra tany amin’ny klioban’ny Minnesota United.

Rehefa fantatry ny rehetra ny fahaizany, nanentana azy handrafitra ny Barea de Madagascar Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy. Ny taona 2018, nanatevina ny Barea izy ary niatrika ny Can 2019, tany Egypta, izay nahatafita ny Malagasy hatreo amin’ny ampahefa-dalana.

Vodilaharana havian’ny ekipa malagasy i Romain Metanire, ary andry sy aron’ny fiarovantena. Mbola anisan’ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis hatrany izy tamin’ireo lalao natrehin’ny Barea de Madagascar. Tsiahivina fa 32 taona izy ary mbola ao anatin’ny tanjany tsara.

 

 Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: