Nanatanteraka ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny Federasionan’ny karate malagasy, tarihin’ny Sensei Ratefinanahary Emile. Mpikatroka manodidina ny 700 manerana ny Nosy no tonga niatrika ny fifaninanana. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona fa fahombiazana raha io isan’ny mpikatroka io ary hiroso amin’ny fandaharanasa manaraka ny FKM. Mialoha izany anefa, miandry indray izay tena hevitry ny Federasiona iraisam-pirenena izy ireo, hahafahana manatanteraka ny fifaninanana manaraka. Naverina nalefa tany amin’ny WKF mantsy ny fankatoavana izay efa nomen’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena ka amin’ity herinandro ity no hanome ny valin-teniny indray ny Federasiona iraisam-pirenena. Miankina amin’io valin-teny io ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, hatao any Durban, ny 28 novambra hatramin’ny 4 desambra ho avy izao. Ireo mpikatroka nahazo ny anaram-boninahitra tamin’ity fiadiana ny tompondaka nasionaly ity, ny hisolo tena an’i Madagasikara any Durban. Izany rahateo no lalana mifehy ny fandefasana mpikatroka hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena, araka ny nohamafisin’ny filohan’ny FKM hatrany.
Nanamafy koa ny Sensei Rahantason Mamy fa tsy misy tokony hizirizirian’ny ekipan’i Solofobe intsony satria efa mazava ny maha ara-dalàna ny FKM tarihin’ny Sensei Emile. “Marika fa efa ara-dalana matoa mahazo manatanteraka fifaninanam-pirenena toy izao”, hoy ny fanazavany.
Mi.Raz