Nanohitra polisy, maty voatifitra ny jiolahy roa raindahiny.
Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa, tao Betanimena Bagdad, anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly alina. Mpanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-44 sady mamaky trano izy roa lahy ireto. Nanao hetsika manokana ny zandary avy ao amin’ny borigady Manakambahiny sy ny polisy. Tra-tehaka tamin’izany ireto jiolahy roa ireto. Nentina natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny polisy izy ireo. Niaiky heloka, nanondro ny toerana misy ireo jiolahy namany hafa koa ireto olon-dratsy ireto. Nanaiky, araka izany, izy mirahalahy fa hitondra ny mpitandro filaminana any amin’io toerana io. Nigadona teny amin’ny trano iray tao anatin’ny fokontany Betanimena niaraka amin’ ny polisy izy ireo, ny 29 jona tamin’ny 11 ora alina. Nanararaotra ny andro alina anefa ireo jiolahy roa. Notoheriny avy hatrany ny mpitandro filaminana. Nikasa handositra ireto jiolahy. Nampitandrina tamin’ny alalan’ny tifi-danitra indroa ny polisy. Voa mainka nitsoaka ireto roa lahy. Vaky nitifitra ny polisy. Vokany, maty tsy tra-drano izy mirahalahy. Miroso amin’ny fikarohana ireo namany kosa ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Mirongatra tato ho ato ny fanafihan-jiolahy miharo fakana an-keriny ka antony izao hetsika hiarahan’ny mpitandro filaminana ao an-toerana izao.
Tsiferana R.