TSELATRA

Noraisim-potsiny ny telo lahy mpifoka rongony, tao amin’ny fokontany Ambaniavaratra, kaominina Fenoa­rivo, afakomaly. Amin’ny andro atoandro, midoroka io zava-mahadomelina io eny ankalamanjana izy telo ireto. Nidina itofony, sarona teo am-pifohana rongony ary efa mandrevirevy ireto telo lahy ireto. Nentina teny anivon’ny biraon’ny zandary Fenoarivo izy ireo. Nahatrarana rongony koa teny amin’izy ireo. Niaiky heloka, natolotra ny fampanoavana ireo voasambotra. Naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana azy, izy ireo.

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomi­sarian’Analanjirofo tao Fenoarivo Atsinanana, afakomaly ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny halatra. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana trangana halatra ao antampon-tanànan’i Fenoarivo Atsinanana. Nandray ny andraikiny ny polisy ka nanao ny fikarohana. Tratra tao an-tsenan’Ambataria ity jio­lahy ity. Hita tany aminy, nandritra ny fisavan’ny polisy, ny finday sy poketra an’ny vehivavy iray avy nenda­hiny. Mody mitarika posy izy hanafenany ny ratsy ataony. Naiditra am-ponja avy hatrany izy rehefa avy natolotra ny fampanoavana.

Vao 22 taona monja, maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo raindahiny amin’ny fangalaran’ omby, tao Ambinany-Matsitso, distrikan’i Tsarata­nana, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io fokontany io, nandositra ka nifampitadiavana io dahalo io, ny alin’ny 26 jona. Nanara-dia anefa ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Roa andro taty aoriana, nifanehatra tampoka tamin’ireo tompon’omby nanao fanarahan-dia ity dahalo ity. Tra-tehaka tao Dilana, fokontany Betanatanana, niaraka tamin’ny omby nangalariny izy.

Partager sur: