Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny teny Ambohimahitsy, ny Kameroney iray, 32 taona, mbola mpianatra, afakomaly maraina. Niaraka tamina vehivavy iray mpivarotena izy ka nony vita ny filany dia vola sandoka 10 000Ar no nomeny azy. Nahatsikaritra vehivavy iray mpivarotena nitomany teo amin’ny sampanan’Ambohimahitsy, fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, ny zandary lehiben’ ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ka nanontany azy ny antony. Notantarain’ity vehivavy ity fa nisy lehilahy iray nitondra azy natory tany an-tranony ny alarobia alina. Rehefa vita ny nataon’izy ireo ny maraina, vola sandoka 10 000Ar no nomen’io lehilahy Kameroney io azy. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny zandary ka tratra tao an-tranony, eny Ambohimahitsy, ilay Kameroney. Hita tao an-tranony nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny ody ratsy maromaro, miaraka amin’ny vakana lehibe roa, karatra sandoka maha mpikambana FILEFA (Fikambana Leo Fahantrana) marobe sy taratasy fanaovana ilay karatra roa fonosana. Nohamafisin’ny zandary fa ny volana mey 2023, tratran’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava eny Fiadanana ireo naman’ity Kameroney ity, miisa 10, noho ny fisolokiana tany. Naiditra am-ponja avokoa izy ireo taorian’izay rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Niaiky ny heloka vitany ity Kameroney ity nandritra ny famotoran’ny zandary.
Jean Claude