AFT Andavamamba – Hetsika maroloko
Hanokana ny andro anio ireo Alliances Françaises rehetra maneran-tany, hanamarihana ny faha-140 taona nisian’ity rafitra maneran-tany ity. Hisy ny hetsika maroloko ho an’ny AFT Andavamamba, manomboka amin’ny 10 ora. Ankoatra ireo hetsika ara-kolontsaina marobe, hanana ny toerany koa ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana ny teny frantsay.
« Zara fitia » – Rija R. sy Reko Band
Rahampitso alahady ilay “Zara fitia”, etsy Antsahamanitra. Fampisehoana iarahana amin’i Rija Ramanantoanina sy ny Reko Band izy io, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hifandimby hanolotra ny kantony avy ny tarika roa tonta, mandritra izany. Hetsika izay karakarain’ny Vondrona Tily LXXXII izy ity.
Nofaranana ny Volan’ny teny malagasy
Famelabelaran-kevitra niresahana ny « Ny teny sy ny raharaham-panjakana » sy antsa tononkalo, niarahana tamin’ny Havàtsa-Upem no nentina namaranana ny Iray volan’ny teny malagasy. Nisongadina tao anatin’ny vela-kevitra ny fiovana nisy tamin’ny teny malagasy teo amin’ny fanaovana ny raharaham-panjakana.
Randriamanantenasoa Martin – 25 taona nitandremana
Tontosa ny alakamisy 29 jona teo, teny amin’ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato, ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny ivon’ny jobily volafotsy maha mpitandrina an’Atoa Randriamanantenasoa Martin mivady. Hitohy rahampitso izany, hiarahan’ny fiangonana sy ny zanaka am-pielezana ary ireo sakaizany.