Avy amin’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroky ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) Toliara no nahazoana nanao andrana tamin’ny fiompiana zanga, tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
Zava-dehibe ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina ao Andavadoaka, najoro ny club Alo, ivondronan’ny tanora maro manentana miaraka amin’ny mpiasan’ny ONG Blue ventures isam-bolana.
Ho an’ny Vezo, ajoboka ao anaty ranomasina ny zazalahy na zazavavy raha vao teraka ary mahafehy ny riaka avokoa na mbola kely aza, hoy ny lehiben’ny fokontany ao Anakao-Bas. Mifanampy ny ankohonana amin’ny fivelomana ka ny lehilahy manjono, mivarotra ny vokatra ary manampy amin’ ny fambolena lomotra sy ny fiompiana zanga ny vehivavy.