Nampahafantatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa mandritra ny « Festival Evason danse » andiany faharoa dia hotapaka amin’ny ampahany ny araben’ny fahaleovantena, ny talata 4 jolay ho avy izao manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tompon’andraikitra amin’ny filaminana mandritra izany ny mpikarakara ny hetsika.
Mandritra ny carnaval ataon’ny Mpamakilain’i Madagasikara anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina dia hotapaka amin’ny ampahany koa ny lalana miainga eo amin’ny Tsangambaton’ny 1947 (zaridainan’Ambohijatovo) mihazo ny lalana Ratsimba (zaridaina Andohalo). Mila mivonona amin’izany ireo rehetra hampiasa iny lalana iny.
Hisokatra ato ho ato ny laboratoara fikirakirana sora-piankohonana sy ny famantarana ny maha olona ao amin’ny kaominina Toamasina. Efa mandeha ny andrana mikasika izany.Misy ny atrikasa ataon’ireo tomponandraikitra mialohan’ny hanokanana ny laboratoara. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra mahazo kopia izay mariky ny maha olom-pirenena ara-dalàna.
Tanterahina ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, nanomboka ny alakamisy teo ny fihaonambe mikasika ny fikarohana momba ny lohahevitra « One Health ». Tanjona ny hisorohana ireo karazan’aretina vaovao . Fotoana ahafahan’ireo mpikaroka mihaona sy mifanakalo hevitra ihany koa io.
Teny Ambodimita sy ny manodidina ny fanatsarana ny lalana notanterahin’ny governoran’Analamanga, ny alakamisy teo. Mitohy tsy tapaka ny asa fanamboaran-dalana amin’ny fanampenana ireo lavaka eto Antananarivo sy ny manodidina. Mifampizara andraikitra amin’izany ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny CUA ary ny faritra Analamanga.