Atletisma: nodimandry i Henri Roger

Misaona indray ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra fa ny taranja atletisma. Nodimandry ny alatsinainy lasa teo i Henri Roger, filohan’ny Federasiona malagasy (FMA), teo aloha. Ny aretin’ny homamiadana, izay efa nitaiza azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany.

Raha tsiahivina, filohan’ny komity nasionalin’ny fandrindrana teo anivon’ny atletisma Itompokolahy, ny taona 1986 hatramin’ny 1990. Voafidy ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma, ny taona 1992 ka hatramin’ny 2000. Anisan’ny nahalalana azy ny fikarakarana “Course de renouveau” sy ny “Marathon de Tana” ary ny « La marche vers l’indépendance”, izay izy no namorona azy tany amin’ny taona 80 sy 90  tany. Anisan’ny taranja nisongadina ny atletisma, tamin’ny fotoana nitondrany ka nahazoana ireo medaly volamena, nandritra ny lalaon’ny Nosy sy ny tany miteny frantsay.

Ankoatra ny nitantanany ny Federasiona malagasin’ny atletisma, efa filohan’ny Komity Olympika malagasy (Kom) ihany koa i Henri Roger, hatramin’ny taona 2011. Efa betsaka ireo atleta niaraka taminy izay nitondra avo ny lazan’i Madagasikara, toa an-dRamalalanirina Nicole, Rabenala Toussaint, Razafindrabe Hanitra, i Lalao Robine sy ny hafa eto an-toerana sy any ivelany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny atletisma izahay eto amin’ny gazety Taratra.

 

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: