SOMBIM-BAOVAO

Rugby vehivavy
Hifanandrina, anio, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana rugby diviziona voalohany (D1) sy faharoa (D2), vehivavy. Ny fihaonan’ireo D2, SCB Besarety sy ny XV Red Tanjombato no hanokatra ny lalao voalohany. Aorian’io, hikatroka ry zareo samy D1, RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika. Ho fanohanana azy ireo, tsy asiana vidim-pidirana ireo lalao roa ireo.

XXL Top 20
Hiditra amin’ny dingana ampahavalon-dalana farany ny fifaninanam-pirenena taranja rugby « XXL Top 20 ». Fifaninanana, hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 2 jolay. Ho fantatra eo ireo ekipa efatra hiatrika ny dingana ampahefa-dalana. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny USA Ankadifotsy sy ny TFMA Ankasina.

Telma Coupe – Tafita amin’ny 1/8 dalana ny Ajesaia
Tafavoaka amin’ny dingana manaraka ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe”, ny Ajesaia Bon­golava. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny US Pro Analamanga, omaly, tany Tsiroanomandidy. Baolina tafiditr’i Feno sy i Gré ho an’i Bongolava. Baolina tokana nampidirin’i Tommy kosa ho an’Analamanga.

Baolina kitra
Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-69 taonany ilay kintan’ny baolina kitra malagasy fahiny, Razanajatovo Albert na Albert Demony, mpilalaon’ny Club M. Anisan’ireo vodilaharana namiratra sy nanandratra ny voninahi-pirenena malagasy tamin’ny taranja baolina kitra izy. Efa niara-nilalao tamin-dry Dezy Monstre sy i Ferdinand ary Coach Rôrô, mpanazatra Barea izy.

Partager sur: