Vehivavy iray voaendaka tao amin’ny Pavillon Analakely, omaly tolakandro. Nikasa hividy entana izy no narahin’ny jiolahy roa. Ny iray mody mibahana eo aloha, ny iray kosa misintona an-keriny ny poketra nisadika teo amin’ny valahany. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy afa-nanoatra koa ireo mpivarotra sy ireo olona teo amin’ny manodidina fa nijery izany fotsiny noho ny tahotra..
Tapaka ny fen’ny lehilahy iray voahitsaky ny fiarandalamby teny Anosibe, omaly tolakandro. Voalaza fa mamo izy ity kanefa nisy lamasinina nandalo tampoka ka voafaoka tao ilay niharam-boina. Potika tanteraka ny tongony satria voatsindry tao ambany kodiaram-bin’ilay lamasinina. Nifanome tanana ny olona rehetra teny amin’ny manodidina nanala ny tongony.
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy tao amin’ny distrikan’i Mahabo, afakomaly alina. Teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny, nifanehatra tamin’ny mpanao fisafoana ireo olon-dratsy. Raikitra ny fifanenjehana ka lavo ny dahalo roa lahy. Nirifatra nandositra ireo namany.
Lavon’ny miaramila mpanao fisafoana
i Madisoa, dahalo raindahiny tao amin’ny kizo Antaboaka sy Andranolalina, Kaomina Ambanivohitra Androvakely, ny 30 jona teo. Tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny niseho tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Antanetibe, ny 10 jona 2023 lasa teo, izy. Niaraka tamin’ny ody ratsy sy fitaovana fampiasany izy tamin’io fotoana io.