FANTINA sy FINTINA

Nalevina ny sabotsy teo, any amin’ny fasan-drazany ao Antanandava , kaominina Anjiamangirana, ny nofo mangatsiakan’ny depiote Jao Jean. Nifanitsa-kitro ireo vahoaka nirohotra nandritra ny fotoana naha teo am-bohitra ny razana ary samy nihetsi-po avokoa ny rehetra, hatrany amin’ny fiaretan-tory sy ny famangiana ka hatreny am-pandevenana.

Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany ny filoham-boninahitry ny Otrikafo, Rajaonarison Jean Edouard. Anisan’ny mpanorina ny antoko izy, niaraka tamin-dRajaonah Andrianjaka sy Rakotondrasoava Georges izay samy efa nodimandry. Mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ENS, Ampefiloha, izy, ary efa filohan’ny Seces teo aloha.

Ny adminisitratera sivily sy mpahay lalàna ary manampahaizana momba ny fiarahamonina, Ramarokoto Feno Emile, no voafidy tamin’ireo kandidà folo ho solontenan’ny Antenimierandoholona eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED).

Voafidin’ireo depiote, ny zoma teo, teny Tsimbazaza, ho filohan’ny vaomieran’ny loharanon-karena stratejika ny depiote Ravonty Tam Téon Luc, nisolo ny toeran’ny depiote, Mohamad Ahmad.

Partager sur: