Sombim-baovao

Nanao fanambarana ny solontenan’ireo ligim-paritry ny baolina kitra, ny zoma lasa teo, teny Isoraka fa tsy manaiky ny fanaovana tery vay manta ny fifidianana seksiona manerana ny Nosy. Nambaran’i Hawell Mamodaly, filohan’ny ligin’i Menabe fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ny lisitr’ireo klioba mandatsa-bato. Misy ekipa tsy nahavita fifaninanana sady tsy manana taratasy fahazoana hiasa “certificate de conformité” akory voasoratra ao anaty lisi-pifidianana. Nohamafisiny rehefa nahemotra ny an’ny seksiona sasany

Tsy nampoizin’ny rehetra ny vokatry ny “Telma Coupe”, omaly alahady. Resin’ny Mi 20 tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Cosfa. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianjan’i Carion. Baolina tafiditr’i Abdil, minitra faha-20 sy ny an’i Jean de Dieu, faha-21. Tany amin’ny minitra faha-82, ny baolina tokana ho an’ny Cosfa, matin’i Garole. Marihina fa 5 ireo klioba ao amin’ny “Orange Pro ligue”, nihintsana dia ny Jet Kintana, ny Cosfa, ny Tia Kitra, ny Uscafoot ary ny Dato FC.

Partager sur: