INDRAY MIJERY

Hivoaka amin’ity taona ity ny andiana mpiofana taona 2021-2023 eny anivon’ny ivontoeram-piofanana rezionaly ara-pedagojia Antsirabe, ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny tale misahana ny fampiofanana ara- pedagojia avy amin’ny minisitera foibe.

Hivory indray rahampitso, eny Ankatso, ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces). Mbola maro ireo olana iandrasana valiny avy amin’ny minisitera mpiahy sy ny fitondrana momba ny zo aman-kasin’ny mpampianatra.

Manokatra ny varavarany ho an’ireo rehetra liana amin’ny sampam-piofanana omeny ny Institut national de la santé publique et communautaire (INSPC), Befelatanana. Mandritra ny roa andro, ny alakamisy sy ny zoma ho avy izao, no handraisana ireo mpitsidika satria manomana fifaninanana handraisana mpiofana vaovao ny ivontoerana.

Noho ny fidinan’ny maripana, maro ny olona tratran’ny sery sy ny kohoka, indrindra ireo efa marefo ara-pahasalamana. Torohevitry ny mpitsabo ny tsy tokony hanaovana dokotera tena sy ihinanana fanafody tsy nahazoana toromarika avy amin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Aleo manatona toeram-pitsaboana hatrany, hisorohana ny fahasarotana.

Partager sur: