Mamatsy vola fandaharana fanomanana orinasa ho an’ny tanora ao Moramanga ny orinasa Ambatovy. Atao izao ho fampiroboroboana ny toekarena ao an-toerana. Betsaka ireo tanora mpandraharaha hisitraka ity fandaharanasa ity. Natao ny 22 jona teo, ny fanombohana ny tetikasa ho an’Alaotra Mangoro, raha vita tamin’ny volana marsa teo kosa ny tao Toamasina.
Hosoniavina ato anatin’ny 15 andro ny fifanarahana ara-indostria ataon’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana. Hapetraka aorian’izay ny rafitra mahaleo tena hanaraka ny fanatanterahana izany. Io no tapaka nandritra ny famaranana ny atrikasa tetsy amin’ny Novotel, ny alakamisy teo. Fotoana nandrafetana ny tondrozotra amin’ny fifanarahana ara-indostria.
Miisa 130.000 ireo « propagule” novolena tamina tany 10 ha, ny sabotsy teo, tao amin’ny fokontany Andevo, distrikan’i Toliara. Natao izao ho fanamarihana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina. Rohivoaharay miantoka ny fitomboana sy ny faharetan’ny hazandranomasina ary fanatsarana ny fanjarian-tsakafo ny ala honko. Miantoka ny fiainan’ny mponina amoron-dranomasina sy ireo mivelona amin’ny jono sy ny fiompiana drakaka ihany koa izy.
Nankalazaina ny alakamisy teo tetsy Mahamasina ny andron’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo andiany faharoa. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny fanovonantsoa ny sakafo entina miady ny tsy fanjarian-tsakafo, famondronana hery marolafy.