Mpivady resin-tory: kilan’ny afo teo am-pandriana

Main’ny afo teo am-pandriana izy mivady ka mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Afom-patampera namanana akoho fiompy noho ny delestazy no nandoro trano.

Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ireo mpivady, may kila tao an-trano fonenany, ny sabotsy alina teo. Tao amin’ny fokontany Andranomadio Toama­sina Parisela 11/41, carreau “C” no nisehoan’izany. Mpan­draharaha momba ny fiompiana akoho matavy izy mivady. Tsy azo sarahina amina hazavana anefa ny tranon’akoho. Ny sabotsy alina nitrangan’ny loza, tapaka tampoka ny herinaratra. Voatery nampiasa fatampera izy ireo mba hanomezana hafanana ireo akoho.
Taorian’izay, niverina na­tory izy mivady niharam-boina rehefa nirehitra tsara ny afo. Resin-tory anefa izy ireo. Ny afom-patampera efa nirehitra tsikelikely. Nahazo ny tranon’akoho ny afo. Tsy vitan’izay, niitatra tamin’ny efitranon’izy mivady. Izy roa izay renoky ny torimaso. May avokoa ny entana rehetra tao an-trano, hatramin’ny fandriana nisy azy ireo. Ny mponina manodidina, mpifanolo-bodirindrina no na­hatsikaritra ny setroka sy ny afo nijoalajoala.
Taitra ihany izy mivady nandritra izany. Niantso vonjy sy niezaka nitady ny varavarana hivoahana. Efa jambena, ka ny fokonolona teny ivelany no nanao ny fomba rehetra nidirana tamin’ny varavarana mba hamonjena azy ireo tao an-trano. Avotra ihany ireo niharam-boina. Nentina avy hatrany nihazo ny Hopitalibe ao Toamasina. Tsy misy ahina anefa ny fahasalaman’izy mivady. Noho ny fahamaizana anefa mbola ao anatin’ny fitsaboana tanteraka izy ireo.
Lasa lavenona avokoa ny akoho rehetra tao an-trano. Tsiahivina fa tamin’ny taon-dasa teo, tao amin’ny tanin’ny Tafika, efa nisy akoho fakana nofo toy izao koa kila forehitra niaraka tamin’ny trano.

Sajo/J.C

Partager sur: