TSELATRA

Navadika lavenona avokoa ireo rongony nilanja 40 kg tra-tehaka tao Anaviavy, kaominina ambanivohitra Ambia, distrikan’ Ihosy, omaly. Ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina no nahasarona ireo rongony ireo, ny 23 jona lasa teo. Tsy nisy olona voasambotra. Nogiazana ireo rongony efatra gony ka izao nodorana izao.

Mpitandro filaminana iray sy ny ankohonany naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Tsisijy-Amborondolo, kaominina Antanimieva, distrikan’i Morombe, ny faran’ny herinandro teo. Nifanao aloha sy aoriana ny fiara “mazda” iray sy kamiao. Voafaokan’ilay mazda tampoka avy aoriana ilay kamiao. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara kely. Naratra mafy koa ny mpamily.

Nalevina ao amin’ny fasam-bahiny- Toamasina, omaly, ilay zazalahy 13 taona hita faty nihantona tao an-tranony. Hanala fanadinana BEPC, hatairana ny an’ny ray aman-drenin’io zaza io nahita an-janany efa tsy nisy aina intsony, tao Mangarano, ny sabotsy 1 jolay teo. Hametraka fitoriana mahakasika ity raharaha ity izy ireo.

Naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora ilay kameroney nandoa vola sandoka tamina mpampanofa tena, ny zoma 30 jona teo. Nosandainy 10 000 Ar ilay vehivavy. Nalohany ny vola sandoka. Tsikaritr’ilay mpampanofa vatana izany ka niteraka savorovoro. Niafara tamin’ny fisamboran’ny manam-pahefana ilay kameroney.

Partager sur: