Nitarika ny fivoriana faharoa fandrafetana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE), teny Mahazoarivo, omaly, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany fa fototra iray lehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampivelarana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana miabo, na ny eny ifotony na ny any amin’ny foibe.
“Tsy azo kosehina ny asa nataontsika rehetra”, hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, tao amin’ny tambajotran-tserasera, omaly. «Mahafaly ahy ny mahita ankehitriny fa tena misy fiantraikany goavana sy tsara ho an’ny vahoaka ny fahavitan’ny lalan’Ambohitrimanjaka sy ny lalan’i Tsarasaotra”, hoy izy.
Nivoaka tamin’ny fanginany ny eo anivon’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritan’i Fianarantsoa, omaly, teny Tsimbazaza. Nilaza izy ireo fa mitondra faisana noho ny fanenjehana sy famonjana ary ny antsonjay ny zanaky ny faritra toy ny tale jeneralin’ny Jirama, Fag, Maherilanto mivady, Sareraka ary ny tale jeneraly vonjimaika eo anivon’ny Cnaps.