Omaly, tamin’ny 4 ora maraina no nipoaka ny basy, fanairana ireo mpianjaka na mpiloloha ny efa-dahy manan-kasina amin’izao fitampoha izao. Vahoaka maro sy olom-panjakana samihafa no tonga nanatrika izany fanompoambe na fitampoha izany, tao amin’ny Doany Miarinarivo. Fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rebika, atao ny zoma 7 jolay 2023, no hamaranana ity hetsika lehibe ho an’ny foko Sakalava ity.
Tontosaina manomboka rahampitso, amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Firaisana voalohany Analakely, ny hetsika “Lecture en rire”. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra no mikarakara ny hetsika. Miara-miasa amin’ny fikambanana Be tige ny kaominina ao anatin’izao hetsika izao. Famakiana boky sy fialam-boly ary fanovozana fahalalàna maro no hita mandritra ny hetsika.
Tanterahina eny amin’ny Fondation H, Ambatomena, manomboka rahampitso ny atrikasa Hay. Ny manodidina ny boky sy ny vaky boky no ho resahina mandritra izany. Ireo ankizy 6 hatramin’ny 12 taona no kendrena amin’izao hetsika izao. Isaky ny alarobia, mandritra ity volana jolay ity no hanatanterahina ny hetsika.
Hanatanteraka fampisehoana, ao Grenada, Espagne, ny tarika Bloco Malagasy, anio, amin’ny 8 ora alina, ora any an-toerana. Ireto tarika malagasy mpively amponga ireto izay manao fitetezam-paritra any Espagne, mandritra ity volana ity. Hetsika maro, hanehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony no ataony mandritra izany.