Mihoatra ny 5.000 Ar ny sanda ivarotana ny euro eo amin’ny tsenam-bola. Ho an’ny orinasa ara-bola tsy miankina iray, vidiany 4.500 Ar ny 1 euro, ary 5.150 Ar no ivarotany azy. Ho an’ny banky foiben’i Madagasikara, misanda 4.887 Ar ny 1 euro, omaly, raha 4.511 Ar ny 1 dolara.
Tohanan’Ambatovy ny orinasa niforona latsaky ny 3 taona. Misitraka izany ny any Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Hisitraka fiofanana mikasika ny fananana toe-tsaina mpandraharaha, fitantanana, fikirakiram-bola ary fampiharana any amin’ny orinasa tsy miankina izy ireo.
Nanomboka nandray ny sidina avy amin’ny kaompania LOT Polish Airlines, orinasa poloney avy any Varsovia, i Nosy Be, ny sabotsy teo. Fiaramanidina iray hafa mampifandray an’i Madagasikara amin’ny firenena eoropeanina ity tonga ity. Hanao sidina isan-kerinandro eto avy any Varsovie sy Nosy Be ity kaompania ity, hoy ny kaonfederasionan’ny fizahantany eto Madagasikara (CTM).