“Haverina ho vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany”, hoy ny mpitarika ny Mihavana Tour, Randrianasoloniaiko Siteny. Tsy maintsy haverina ny fifidianana ho lehibem-pokontany, izay efa tsy nisy nandritra ny 20 taona. Hanafainganana ny raharaham-panjakana sy ny filan’ny vahoaka no tanjona amin’izany.
Nohelohin’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) ny herisetra natao tamin’ireo mpitrandaraka vaovao, tany Taolagnaro. Nohodidininy sy nompainy ary norahonany ho faty izy telo lahy. Mbola nampangaina fa hamatsy bala ny biraon’ny faritra koa. Natao takalonaina nandritra ny ora iray. Miantso ny rehetra mba samy handray andraikitra ny OJM.
Mitondra ny heviny, mahakasika ny fizakana zom-pirenena ny vondrona Hery politika mitambatra (HPM), tarihin-dRazaka Robert. “Mila atao mazava ny lalàmpanorenana”, hoy izy. Mila amboarina ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara. Ilaina ny fifampiresahana mba tsy hisian’ny toy izao.
Mila misokatra amin’ny mpanohitra ny governemanta mba hisian’ny fitoniana, raha ny fijerin’ny mpitarika ny antoko Tanora malagasy miroso (Tamami), i Samihary Floriot.
Maniry ny hisian’ny fifidianana 2023 araka ny lalàmpanorenana ry zareo. Mialoha izany, ilaina ny governemanta misy mpanohitra mba miara-mikarakara fifidianana.