TARATRY ny KANTO

Telma- « Lalaon’tsika », 11 ireo nahazo loka. Natolotra afakomaly, teny amin’ny foibe Telma Andraharo, ny loka goavana ho azy ireo. Anisan’izany ny “kit home baliaka” 500, finday Motorola sy Ipad 9, fahitalavitra lehibe… Nahazo nandray anjara tamin’ny “Lalaon’tsika” avokoa ny mpanjifa Telma rehetra manerana an’i Madagasikara, nandritra ny enina herinandro. Nahafahana nampiasa ny tolotra “Telma net” na “Yellow one net”, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Nisy fisarihana foana isaky ny herinandro ka nizarana loka ho an’ireo voafantina.

Tanterahina eny amin’ny Fondation H, Ambatomena, isaky ny alakamisy, manomboka, rahampitso, hatramin’ny 28 desambra 2023, ny fiofanana Ainga. Hanome ny fototra hiaingana ahafahan’ny mpahay kanto mivelatra sy mampiroborobo ny haikantony no tanjona amin’izao. Tantaran’ny haikanto sy fan­drafetana fampirantiana no hanombohana ny fiofanana rahampitso. Fiofanana maimaimpoana tanteraka, ho an’ny mpahay kanto mipetraka eto Madagasikara.

Misokatra ho an’ny rehetra ny Rova. Nitsidika ny Rovan’i Madagasikara, omaly, ny ekipan’ny biraon’ ny OIF misahana ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Nijery ihany koa izay mety ho fiaraha-miasa azo tontosaina eo amin’ny OIF sy ny ORMada, izy ireo, indrindra mahakasika ny tranomboky. Marihina fa misy fihenam-bidy ny fidiran’ireo andiana mpianatra manomana fitsidihana iombonana.

Partager sur: