Zava-doza no nanjo ireto mpandeha 30 mianaka, nitaingina kamiao mpitatitra entana. Nivadika ny fiara. Maty voapotsitra ny zazalahikely vao herintaona sy zazavavy sivy taona.
Vokatry ny haratsian-dalana sy ny tsy fitandreman’ny mpamily! Maty tsy tra-drano ny zazalahy herintaona sy ny zazavavy iray 9 taona. Zanak’olona samihafa izy ireo. Mpandeha tao anatin’ny kamiao iray, nivadika tao Bekabija Ambatolampy, Fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Sarobaratra, omaly maraina. Fiara mpitatitra entana tsy natao itondrana mpandeha no tra-doza. Nisy mpandeha miisa 30 tao anatiny. “Niakatra teo amin’ny sampanan-dalana mihazo an’i Tsaratanana ireo olona ireo”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Ratsy lalana, niteraka fahasahiranana ho an’ny mpamily ny havesaran’ny fiara nentiny.
Nivadika ny fiara teo amin’ny 45 km tsy ahatongavana ao Tsaratanana. Vokany, nianjera avokoa ireo entana tao anatin’ny kamiao. Tavoahangy toaka ny ankamaroany. Nisy tamin’ireo olona voatsindry no naratra, miisa efatra izy ireo. “Maty ilay zazalahy vao heritaona sy ny zazavavy iray”, hoy ny zandary mandray an-tanana ny famotorana.
Etsy ankilany, ateraky ny haratsian-dalana, voatery manararaotra kamiao mpitatitra entana ny mpivezivezy. “Vitsy ny fiara mpitatitra. 1 000 000 fmg anefa ny saran-dalan’ny moto ka aleon’ny olona mitaingina kamiao izay 175 000 fmg”, raha ny fanamafisan’ny zandary ao an-toerana. Nitera-doza io fahazaran-dratsy io. Nosamborina ny mpamily ny kamiao. Nentina notsaboina eny anivon’ny CSBII Ambondromamy ireo naratra.
Tsiferana R.