Betsaka ireo maniry handeha ny zotra an-dalamby FCE amin’izao vanim-potoana fialantsasatra izao. Mihoatra ny 7 ora eo ny dia amin’ireo lamasinina mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Misy karazany ny train express izay mitondra mpandeha sy ny train mixte izay mitondra mpandeha sy entana.
Hiitatra hatramin’ny rahampitso ny fe-potoana farany handraisana ny antontan-taratasy fisoratana anarana ho an’ireo mpandraharaha maniry ny handray anjara amin’ny “3,2,1 Pitch ! by Fihariana” andiany fahatelo. Aorian’izay, hodinihin’ireo komity ny antontan-taratasy momba ny tetikasa voaray.
Hohajariana ny lemaka any Anjahana, distrika Maroantsetra, ny any Ampahatrosy sy Fidasiana, distrika Antananarivo Atsimondrano ary any Mahavavy Ambany, distrika Ambilobe. Hokitihina ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana entina hanatanterahana ireo tetikasa ireo.
Nitentina 2,08 miliara dolara ny fifanakalozam-barotra teo amin’i Sina sy i Madagasikara, ny taona 2022, nahitana fitomboana 29,2%. Nahatratra 1,455 miliara dolara (+13,9%) ny fanafarana entana avy any Sina tamin’io, raha 625 tapitrisa dolara (+87,8%) ny fanondranana avy aty Madagasikara nankany amin’ity firenena ity.