Samy voan’ny bala. Dahalo telo lahy maty rehefa nangalatr’omby, afakomaly. Karohina ny namany iray
Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy manamorina ny tanànan’ Androibe, kaominina ambanivohitra Ankerika, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io kaominina io, efa-dahy ireo dahalo. Nalainy teny an-tanimbary ny omby miisa roa. Nentiny nandositra. Niantso ny fokonolona sy nampandre ny mpitandro filaminana ny tompon’ omby. Raikitra ny fanarahan-dia. Tsy lasa alavitra, nifanehatra tamin’ny fokonolona tao amina tanàna iray anatin’ny kaominina io ihany izy efa-dahy. Niaraka amin’ny fitaovam-piadiana ny zandary notarihin’ny kapiteny komandin’ny vondron-tobim-paritra. Nahita ny olona maro be, nanao tongotra an-katoka ireo dahalo efa-dahy. Tsy namelan’ny mpanara-dia raha tsy tratra. Raikitra ny fifandonana. Tsy nety nilavo lefona ireto mpangalatr’omby. Nitifi-danitra ny mpitandro filaminana saingy nanohitra hatrany izy ireo. Vokany, maty voatifitra ny telo tamin’ireo mpangalatra. Tafaporitsaka kosa ny iray hafa. Tamin’ny alalan’ny famotorana lalina nataon’ny zandary ao an-toerana, efa mpamoaka omby halatra ao Ankerika ny iray lavo. Nozahan’ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII ny razana. Natolotra ny fianakaviany taorian’io. Mitohy ny fikarohana ilay iray nandositra. Niverina amin’ny laoniny taorian’io ny fandriampahalemana ao an-toerana.
Ankoatr’io, lavon’ny miaramila nanao fisafoana ny jiolahy raindahiny anatin’ny tarik’i Heratea, tao amin’ny kaominina Masihanaka, distrikan’i Vangaindrano, ny 3 jolay teo. Mpamaky trano, lasan’io olon-dratsy io avokoa ny entana. Nokarohina ka izao niafara amin’ny fahafatesany izao. Mbola karohina ny naman’ity jiolahy ity.
Tsiferana R.
.