Fanafihana mitam-basy: roa lahy naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy mitam-piadiana tra-tehaky ny zandary. Voasambotra tetsy Anosizato, ny alahady 2 jolay, izy ireo. Mpandeha nampiahiahy tao anaty taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Arivonimamo izy mirahalahy. Nanaitra ny mpitandro filaminana anefa ny fihetsik’izy ireo mahamahana. Natao ny fisavana, sarona teny aminy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Basy poleta niampy bala iray sy famahanana ary antsy lavalela.
Voamarina tamin’ny famotorana, monina ao Arivonimamo izy mirahalahy. Nikasa hanafika teny amin’iny faritra 67 ha iny niaraka tamina lehilahy iray. Nanoro ny mpiara-miasa amin’ izy ireo ireto jiolahy, nandritra ny fakana am-bavany. Natao ny vela-pandrika. Noraisim-potsiny ilay lehilahy fahatelo. Nentina natao famotorana teny anivon’ny zandary Fenoarivo izy ireo.
Niaiky heloka izy roa lahy. Natolotra ny fampanoavana rehefa vita ny famotorana savaranonando. Taorian’ny fihainoan’ny mpampanoa lalàna azy telo, naiditra am-ponja vonjimaika ny anankiroa. Nahazo fahafahana ny naman’izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: