Naratra vokatry ny katro-doha sy ny totohondry nahazo azy ny lehiben’ny Cisco iray. Tompon’antoka ny lehiben’ny distrika teo aloha, niady taminy tao anaty trano fisotroana. Vaky loha, niafara tamin’ny fifampitoriana ny fifandirana teo amin’ny ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Marolambo sy ny lehiben’ny distrika teo aloha, ny alin’ny fetim-pirenena. Efa nahazo famindran-toerana saingy mbola any an-toerana ilay lehiben’ny distrika teo aloha. Efa tonga any ny solony. Tsy afaka niditra tamin’ny trano tokony hivantanany ity farany satria mbola ao ny olona ho dimbiasany. Tsy maintsy nitady trano nivantanana izy ka tany amin’ny lehiben’ny Cisco, arak’izany, no nampiantrano io lehiben’ny distrika vaovao io. Tsy mety hanao ny famindram-pitantana rahateo ilay teo aloha. Noho ny tsy fankasitrahany ny fihetsik’ilay lehibena Cisco io, naneho hatezerana ilay lehiben’ny distrika teo aloha. Nifanehatra tampoka tao anaty trano fisotroana izy sy ilay lehiben’ny Cisco, ny alin’ny 25 jona. Efa nisotro alikaola, nikotro-doha sy namely totohondry, ilay lehibena distrika teo aloha. Naratra mafy ary vaky loha ny lehiben’ny Cisco. Nentin’ireo manodidina azy nitsabo tena ity farany.
Sajo




