RN7 : tratra ireo mpitoraka fiara

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Antanifotsy, afakomaly, ireo andian-jatovo mihetraketraka mpitoraka fiara sady mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Mody misotrosotro toaka ry zalahy ka rehefa mamomamo avy any amin’ny lanonana vao manao ny asa ratsiny. Ireo fiara mandalo no mitondra faisana amin’ny alalan’ny tora-bato. Misy ireo taksiborosy efa lasibatry ny tora-bato. Manoloana izany, nisy ny fitarainana voarain’ny zandary avy amin’ireo olona mampiasa lalana. Nisy ny fidinana ifotony tamin’ny alalan’ny fanentanana ny ben’ny Tanàna, ireo fokontany sy andrimasom-pokonolona mba hanentana ireo tanora rehefa misy fety aman-danonana mba tsy hanao fihetsika toy izao. Manamafy ny fisafoana ataony hatrany ireo zandary amin’iny RN7 iny. Vao haingana, teo akaikin’ny sampanan-dalana hiditra an’Antanifotsy no nisy taksiborosy iray mampitohy an’i Fianarantsoa sy Antananarivo no niharan’ny tora-bato nataona jiolahy. Vaky ny fitaratra saingy afa-nitsoaka ihany ny mpamily. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ireto zatovo mpitoraka fiara ireto. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.

J.C

Partager sur: