Efa nosakanan-janany: renim-pianakaviana hita faty tao anaty tatatra

Ramatoa 37 taona, na­moy ny ainy, tetsy amin’ny fokontany Manjaka Ilafy, omaly maraina. Niala ny trano ny harivan’ny alakamisy teo, efa nosakanan’ny zanany izy. “Hitaky vola aman’olona no nialany tao an-trano tamin’ny 5 ora hariva”, hoy ny fanazavan-dRakotonarivo Njaka, andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany. Niandry ny fiverenany ilay zanany. Tsy hita anefa ilay reniny. Nony maraina, hatairana ny an’ny fianakaviany. “Hitan’ny mpandalo iray natsingevan’ny rano ilay ramatoa”, hoy ity solontenan’ny fokontany ity. Tsy nisy aina intsony, niantso ny tomponandraikitra sy ny mpitandro filaminana ireo nanatri-maso. “Nianjera tsy nahy izy. Notatazan’ilay vato ka nitarika ny famoizany aina”, hoy hatrany ity farany.

Mpivarotra vy
Mananon-tena, mitaiza irery ireo zanany roa izay mbola ao aminy ity renim-pianakaviana namoy ny ainy ity. Tsy nanana asa, mpivarotra tapa-by sy tavoahangy no fiveloman’ity renim-pianakaviana maty ity. “Mitsindroka ireny fitaovana ireny eny amin’ny fako izy ka avadiny ho vola”, hoy ny mponina eny an-toerana. Noho io fari-piainany io, misotro toaka matetika ilay ramatoa. “Mety ho mamo izy ka navarin’ny toaka tao anatin’ilay tatatra”, hoy ireo manodidina. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsia­kan’ilay namoy ny ainy taorian’ny fizahan’ny mpitsabo.

Tsiferana R.

Partager sur: