“Amiko, rediredin’ny mpanao politika matahotra fifidianana ny fivoizana zom-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Aminy, matoa nahazo nirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana 2018, ny dikan’izay: ara-dalàna ny antontan-taratasy napetrany. Mizaka ny zo feno izy, mahafeno ny fepetra rehetra hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika.
Adihevitra efa tsy tokony hipetraka ny momba an’io fizakana zom-pirenena io. Satria ny olon-drehetra manana zom-pirenena roa taloha, nahazo nirotsa-kofidina. “Maninona no tsy afa-mirotsaka hofidina rehefa tonga amin’ny filoha Rajoelina?”, hoy izy. Fahakanosana politika io. Matahotra azy ireo mpanohitra. Samia mirotsa-kofidina. Tsy misy manakana azy ireo hirotsa-kofidina. Koa zo avy aiza no hahazoan-dry zareo manakana tsy hirotsa-kofidina?
“Tsy voaisa ny zava-bitan’ny filoha Rajoelina nandritra izay fe-potoana nitondrany izay. Fantatr’ireo mpanohitra fa hirona any aminy avokoa ny safidin’ny vahoaka”, hoy ihany izy. Izay no mahatonga azy ireo mitabataba, mivoajamala, mimenomenona…
R. Nd.




