Fihaonana tamin’ny mpanao gazety : kivy tamin’ny filoha Rajoelina ny mpanohitra

Samy namatrapatratra avokoa ny sasany amin’ireo mpanao politika taorian’ny fihaonan’ny filoha tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha, ny alahady teo. Tsy araka ny nantenain’izy ireo ny zava-misy.

Notsiahivin’ny depiote “Del kely”, omaly, fa efa nanana traikefa hatramin’ny Tetezamita ny filoha nefa ireny no nambarany. “Kivy tanteraka aho na ny endriky ny fihaonana na ny votoatin’ny noresahan’ny filoha”, hoy izy. Tsy naneho ny nahafantarana azy teo aloha fa manenjika ny fihetsem-pon’ny olona. Nibaradaka amin’ny lafiny rehetra izy ary afa-baraka. “Tsy voafehiny ny resaka ka nitsotra ny lafiratsin’ny tenany izy ary takatry ny maro izany. Nampiseho ny fahalemeny ny fanamarinan-tenany”, hoy izy.
Nohitsin’ny Me Razafima­nantsoa Hanitra kosa fa namoriana olona izany ary midika ho tahotra. Niniana tsy novaliany koa ny fanontaniana sasany. Tokony mba ho nandalina kely ny fahalalana ankapobeny sy ny tantara izy. Mbola mihevitra ny handeha lavitra ny filoha na manana zom-pirenena hafa aza. “Nijabaka tanteraka izy ary tsy tokony ho niresaka ny zom-pirenena. Tokony tamin’ny alalan’ny kabary no anaovany izany rehefa tsy nahavita niaro azy ireo efa niteny rehetra “, hoy izy.
Nanambara kosa ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianai­nari­velo Hajo, tao amin’ny “Facebook” fa tsy afaka hinia hikimpy amin’ny firenena lasa mihemotra ny tenany. “Ampy ahy ny maha Malagasy ahy. Tsy hamadika mandrakizay an’i Madagasikara amin’ny fakana zom-pirenena hafa ho fiarovana tombontsoa manokana”, hoy izy. Nambarany fa manan-kasina ny taninjanaka ka nanolotsaina azy hanao veloma tsy misy mandra-pihaona izao fitondrana izao. Nanteriny fa manana adidy hanavotra ny firenena isika tena Malagasy. Hiady sy hifofotra mba tsy hotsarain’ny taranaka, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: