Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 jolay izao, etsy amin’ny Parvis Analakely, ny fifaninanam-pirenena Festival “Alefa Parkour”, andiany faharoa. Hiavaka tanteraka ny hetsika amin’ity andiany ity, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity ohatra, ny salan-taonan’ny mpifaninana, izay hisy ny sokajy zandriny, 8 hatramin’ny 14 taona. Toy ny tamin’ny taon-dasa, mbola hisy ihany koa ny sokajy zokiny, ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe. Manodidina ny 150 eo ny atleta hifaninana avy amin’ny faritra 5 manerana ny Nosy (Antsirabe, Morondava, Fianarantsoa, Sambava, Mahajanga) ankoatra an’Antananarivo izay manana atleta betsaka indrindra. Hisy karazany roa ny fifaninanana, ny Speedrun sy ny Freestyle.
Fanatanjahantena vaovao saingy efa nisy efa ela teto Madagasikara ny Parkour, ka izany indrindra no hanentanan’ny mpikararaka ny rehetra ho avy hijery sy hamantatra izany taranja izany, araka ny fanazavanan nentin’i Faliniaina Anthonio, anisan’ireo mpikarakara. Nisy ny fampahafantarana ofisialy, ny fifaninanana, omaly, tetsy amin’ny IFM Analakely.
Mi.Raz