Fivorian’ny UA : ho fanatsarana ny toekarena

Nifarana ny alahady 16 jolay 2023, tany Nairobi Kenya, ny fivoriana faha-5, fandrindrana ny Vondrona afrikanina, fanao isaky ny enim-bolana. Filoham-panjakana, filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina, mpikamban’ny Komity ekonomika regionaly (CER) no tomponandraikitry ny fivoriana. Niatrika izany ihany koa ny delegasion’ny firenena ao anatin’ny Vondrona afrikanina. Ny mahakasika ny toekarena aty Afrika no tena nodinihina nandritra izany. Teo ihany koa ny dinika momba ny olan’ny firenena sasany, aty Afrika, hatrany. “Vondrona afrikanina matanjaka sy mahaleo tena no vina”, hoy i William Ruto, filoham-pirenena kenianina, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Mbola tafiditra tao anatin’ny lahadiniky ny fivoriana ihany koa ny fanafainganana ny fametrahana “Zone de libre-échange continentale africaine” (ZLECAF). Nasiana resaka ihany koa ny mahakasika ny toe-draharaha ao amin’ny faritra Atsinanan’i R D Congo.

Lin M.

Partager sur: