Azo ovaovaina ny sakafo ho an’ny isan-tokantrano amin’ny vokatra misy eo aminy isam-paritra. Hamolavola boky torohay mifandraika amin’izany ny teknisianina.
Hanohana teknika ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) mandritra ny roa taona ho avy. Hiompana amin’ny fanentanana ny fianakaviana marefo momba ny fambolena ireo vokatra mitondra ny singa mpamelona tena ilain’ny vatana ny fiaraha-miasa. Tanjona koa ny handrafitra boky torohay isam-paritra hanampy ny isan-tokantrano, hampiasa sy hihinana ireo vokatra misy ao amin’ny faritra misy azy, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny ONN, profesora Vololotiana Marie Danielle. Zava-dehibe ny 1 000 andro voalohan’ny zaza ka ampianarina amin’ny sakafo maroloko sy miovaova ny vehivavy mitondra vohoka. Hisahana ny fandrindrana ny fanatanterahana ny asa eny ifotony miaraka amin’ny teknisianin’ny FAO ny ONN, hitondra antoka ara-tsakafo any ambanivohitra. Efa manampy ny minisiteran’ ny Fambolena rahateo ny FAO amin’ny fanapariahana ny fomba fambolena ireo vokatra mitondra singa mpamelona. Miaraka amin’ny fampitaovana ny fanofanana atao, hoy ny solontenan’ny FAO eto amintsika, Aloys Nizigiyimana, omaly, teny Anosy.
Hisy Malagasy sy vahiny manampahaizana hitondra ny traikefany handrafitra ny boky torohay. Fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka avokoa ireo, manampy ny sehatrasa hafa efa mandeha, ka hahazo tombony manokana ny vehivavy mbola mampinono na mitondra vohoka sy ny ankizy latsaky ny 5 taona.
Mbola mahatsapa ny tomponandraikitry ny FAO fa tsy ampy ny fanentanana eny ifotony momba ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fahazoana sakafo satria mbola 30% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka amin’ny faritra sasany, araka ny fanadihadiana natao.
Vonjy A.