Hifanohana ny Orange Solidarite sy ny UNFPA ary ny orinasa Orange Madagascar ho fampiroboroboana ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny tovovavy amin’ny fikirakirana ny nomerika. Hanampy sy hampitaovana ireo tranon’ny tanora manerana ny faritra maro ny roa tonta amin’ny fanomezana “connexion”, fanofanana sy ny famakiam-boky. Eny anivon’ireo tanàna Orange, hanofana ireo mpiasan’ny fahasalamana ary hanavao ny fotodrafitrasam-pitsaboana ny tomponandraikitra ka hisitraka fananahana ara-pahasalamana ny rehetra, indrindra ny tanora sy ny vehivavy.
Zava-dehibe ny fanofanana ny tanora amin’ny nomerika ka tao anatin’ny 18 volana nisokafan’ny «Orange digital center», 1 900 ny tanora nahazo fiofanana ka ny 60% dia tovovavy avokoa. Manao tantsoroka ireo tanora manana tetikasa azo tanterahina koa ny ODC, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Fréderic Deborde, teny Ankorondrano.
Vonjy A.