Fampiroboroboana ny indostria: mitovy vina amin’i Kagame ny filoha Rajoelina

Nitohy tamin’ny fitsidihana toerana samihafa ny dian’ireo delegasiona tarihin’ny filoha Rajoelina atsy Rwanda, omaly. Tsy mifanalavitra ny fomba fijerin’ny roa tonta eo amin’ny fampandrosoana.

Anisan’ny nojerena tamin’izany ny faritra manokana ho an’ny toekarena “Zone économique spéciale” ao Kigali, Renivohitra. Mifanandrify amin’ny veliranon’ny filoha ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria ho an’ny fahavitan-tena eo amin’ny sakafo sy ny fanodinana atao eto amintsika izany. Anisan’ny voalohany sy nahavita dingan-dava amin’izany aty amin’ny kaontinantaben’i Afrika ny atsy Rwanda.
Ankoatra izany, anisan’ny notsidihin’ny filoha sy ireo mpandraharaha miara-dia aminy koa ny orinasa mpamokatra sakafo. Anisan’ny mampiavaka izany ny fividianan’ny mpanjifa amin’ny vidiny mirary ny vokatra. Vokarina amin’izany ny varim-bazaha sy ny fanampin-tsakafo. Tsy tara amin’izany koa anefa ny eto amintsika, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena. “Tsy ambakan’izao ny ezaka vitantsika any Madagasikara amin’ny famokarana sakafo be otrikaina, toy ny tetikasa nananganana ny NutriSud iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ireo mponina, indrindra ny reny sy ny zaza any atsimo”, hoy izy.
Nitohy tamin’ny fitsidihana ny fanodinana sy fanadiovana ny volamena “Raffinerie d’or-Gasabo gold refenery” any an-toerana izany. Manampy izany ny fandehanana mitety ny tanànan’i Kigali, Renivo­hitra, anisan’ny miavaka sy madio indrindra amin’ireo tanàn-dehibe aty Afrika. Na­maranana izao dian’ny delegasiona atsy Rwanda izao ny fihaonan’ny filohan’y Repo­blika amin’ireo teratany ma­lagasy miasa sy mila ravinahitra any an-toerana “Diaspora”. Nihainoana ny hetahetan’izy ireo sy nampahafantarana ny ezaka sy ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana.

Synèse R.

Partager sur: