Rakotovazaha Olivier : “Ho hita eo ny ataon’ny fitsarana momba ny zom-pirenena”

“Fotoana izao hanamarinan’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay hanaovana fangatahana ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier, manoloana ny fita­kian’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny taratasy fanamarinana ny
amin’izany.
Amin’izany no hahitana izay nangataka fizakana zom-pirenena hafa, araka ny And. 42 amin’ny fehezan-dalàna momba ny fizakana zom-pirenena. Voalaza amin’izany fa very ny zom-pirenena malagasy, rehefa ampy taona ny tena ary mangataka fizakana zom-pirenena hafa. “Tsy fananana zom-pirenena roa ny an’ny filohan’ny Repoblika, fa zom-pirenena iray no ananany dia ny zom-pirenena frantsay”, hoy izy.
Fotoana izao hampiharan’ny fitsarana ny lalàna velona momba ny famoahana fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy. Sa mbola azo tsindrina ve ireo mpitsara hamoaka izany? Manana ny anjara toerany amin’izay koa ny HCC amin’ny fandraisana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika.
Anisan’ny masontsivan’ny HCC ny taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Ho voaray ny an­tontan-taratasy firotsahan-kofidin’izay rehetra afa-manome izany.

R. Nd.

Partager sur: