Nanampy ny mpanjono ao amin’ny kaominina Tsifota, distrikan’i Toliara II, amin’ny fitahirizana ny vokatry ny ranomasina azon’izy ireo ny fanavaozana ny toeram-pitahirizana ao an-toerana, vita ny taona 2022. Mivondrona ao amin’ny fikambanana Firaisantsoa ireo mpanjono ary manefa hetra any amin’ny kaominina. «Nitondra fivoarana ny fahaveloman’ny toeram-pitahirizana satria niakatra ny vidin’ny trondro fa tsy voatery amidy mora toy ny teo aloha», hoy ny sekreteran’ny toeram-pitahirizana, i Loda Christophe.
200 Ar isaky ny kilao,
isan’andro, ny saran’ny fametrahana trondro ao amin’ny toeram-pitahirizana ary tsy latsaky ny 1 000 ny tokantrano mahazo tombontsoa amin’ny fihodinany indray. Teo aloha, amidy 2 500 Ar ny kilaon’ny trondro fa rehefa azo notehirizina, niakatra ho 5 000 Ar. Orinasa avy any Toliara no tonga maka ny vokatra ankoatra ireo amidy eo an-tanàna ihany. Efatra ny mpiasa mampihodina ny toerana, amin’
izao fotoana. Manakaiky ny torapasika rahateo no misy azy. Lanjaina ary apetraka amin’ny efitrano mangatsiaka ny vokatra azo.
Misy koa anefa ireo mpanjono madinika tsy mampiasa ny toeram-pitahirizana satria kely ny vokatra azony isan’andro ka lafo eo noho eo hatrany. Avy amin’ny fanampian’ny Japoney no nahazoana ny fanavaozana ity fotodrafitrasa ao Tsifota ity.
Vonjy