Maître Olivia Razafindrahasy : « Tsy fahefan’ny mpisolovava ny manakana ny asan’ny vadintany… »

Niharan’ny herisetra ny vadintany nandritra ny fanatanterahana didim-pitsarana, teny Isotry, ny sabotsy teo. Mpisolovava iray no voalaza ho nampiasa hery taminy.

Teny fanambaniana miharo herisetra no nataon’ny mpisolovava iray tamin’ny vadintany nanao ny asany. «Misy mpisolovava sasantsasany miseho ho ambonin’ny lalàna. Asanay ny manatan­teraka didim-pitsarana. Tsy fahefan’ny mpisolovava mihitsy ny midina manakana ny asan’ny vadintany», hoy ny Maître Olivia Razafindrahasy. Manoloana ity raharaha fa­naovana herisetra ity, mangataka izy ny hampiharana ny lalàna fa tsy tokony hatao toy izao ny vadintany. «Aoka tsy hifanambany fa tokony hifanaja amin’ny asany», hoy izy. Tsy ny mpisolovava rehetra no manao toy izao fa ireo mihevitra ho mahitahita sy ambonin’ny lalàna.

Manara-dalàna ny vadintany
Maneho firaisankina amin’ ity vadintany niharan’ny herisetra ity koa ny birao nasionalin’ny holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty eto Mada­gasikara, tamin’ny alalan’ny Maître Baholy Harinony. Nambarany fa misy mpisolovava milaza fa manaotao foana ny vadintany. Tsy am­bonin’ny lalàna ny vadintany midina manao ireny fampiharana didy ireny fa misy lalàna arahina ihany koa. Ireo olona mibodo toerana ka tsy manana zo intsony hipetraka amin’ny trano, io no anaovan’ny vadintany fandroahana. «Tsy azon’ny mpisolovava atao ny manakana ny asan’ny vadintany manao ny asany amin’ny fampiharana didim-pitsarana toy izao», hoy ny Maître Baholy Harinony. Tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana avy amin’ny tonia mpampanoa lalàna ny vadintany rehefa midina manatanteraka didim-pitsarana toy izao.

Jean Claude

Partager sur: