Vaovao tambatra

Tafiditra ho anisan’ireo toerana tsara indrindra ialana sasatra, amin’ity taona ity, i Madagasikara, araka ny lahatsoratra an-gazety navoakan’i Le Figaro, hoy ny « confédération du tourisme de Madagascar », omaly. Anisan’ny mahasarika ny mpizahatany ny tontolo iainana, ny rohivoaary,ny karazana zava-mananaina mampiavaka ity Nosy ity.
Manomboka androany, haharitra roa andro ny fiofanana mahakasika ny fiompiana trondro ao Morondava, faritra Menabe. Atao izao hampahafantarana ny rehetra ny tontolon’ny fiompiana trondro, ny famokarana zanatrondro ary ny sakafony. Tanjona ny hampiroborobo ny famokarana sy hanatsara ny fihariana ary ny toekarena malagasy.
Nodorana avokoa ireo entana lany daty tratra tamina mpivarotra miisa fito tao Tsaratanana. No­ra­ketina an-tsoratra sy nohamarinina niaraka tamin’ireo solontenam-panjakana tany an-toerana izany. Tsy voaporofo kosa ny tsy fanarahan-dalàna momba ny menaka fihinana izay nahazoana fanairana avy amina mpanjifa.
Nahitana fiakarana ny vidim-bary eny amin’ny tsenan’Anosizato, Ivandry, Analakely ary Ankadin­dratombo. Manodidina ny 2 400Ar ka hatramin’ny 2 800Ar ny kilaon’ny vary gasy. Noho ny fihenan’ny vary nafarana avy any ivelany sy ny fiakaran’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenea no anton’izany, raha ny fantatra.

Partager sur: