INDRAY MIJERY

66, 32 % ny taham-pahafahana bakalorea ho an’ny faritanin’Antsiranana, ho an’ity taona ity, 11 468 ireo nahazo ny mari-pahaizana ka ny 10 616 (64, 96 %) amin’ireo avy amin’ny fampianarana ankapobeny. 56,96 % ny taham-pahafahana ho an’ny faritanin’i Mahajanga ary 56,35 % amin’io ho an’ny fampianarana ankapobeny.
Nisitraka fanampin-tsakafo miisa 952 000 avy amin’ny orinasa Nutrisud ho fanampiana ny fampisakafoana an-tsekoly ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Anosy. Nanolotra izany ny talen’ny orinasa Nutrisud raha nandray izany kosa ny solontenan’ ny talem-paritra ao an-toerana.
Tonga nanampy ny firenena malagasy i Arabie Saoudite, ny talata teo. Efa fanampiana fahefatra izao ataony izao, avy amin’ny alalan’ny King Salman-Humanitarian Aid and Relief Center. Fanampiana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano 44 052 izay sahirana ara-pivelomana no natolotr’izy ireo.
Natao ny herinandro teo ny atrikasa fampiofanana ireo olona notsongaina ho mpampiofana sy mpanamora, eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Niaraha-niasa tamin’ny GIZ-ProDéciD sy ny kaominina izany. Tanjona ny hamolavola olompirenena mandray andraikitra ary mitondra ny anjara birikiny
amin’ny fampandrosoana ny renivohitra.

Partager sur: