Basikety-3×3 Africa Cup: hanana solontena i Madagasikara

Hatao ny 3 sy 4 desambra izao, any Le Caire Egypta, ny fiadiana ny amboara an’i Afrika, ho an’ny taranja basikety lalaovin’olona telo. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara, izay efa manome lanja tanteraka ny basikety 3×3. Hanana solontena sokajy lahy sy vavy isika, amin’ity fifaninanana ity. Araka ny fandaharam-potoana, ny 29 novambra izao no hanainga hihazo an’i Egypta ny delegasiona malagasy hiatrika ny Africa Cup. Fiaingana izay noezahina natao aloha mba hahafahan’ireo mpilalao manao fanazaran-tena misimisy kokoa any an-toerana, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety. Eo amin’ny sokajy lehilahy, mpilalao efatra mendrika sy voafantina, ahitana an-dRandriamampionona Elly, Ratianarivo Livio Rocheteau, Solondrainy Arnol Jean Alpha ary Rakotonirina Fiary Johnson, ny hiaro ny voninahi-pirenena. Tsiahivina fa efa nandrombaka ny medaly volamena, nandritra ny lalao afrikanina natao tany Maraoka, ny taona 2019, teo amin’ny basikety 3×3, izy efatra mirahalahy ireo.

Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, hivoaka tsy ho ela ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ity fifaninanana ity. Efa fantatra ihany koa ny vondrona misy ny ekipa malagasy ka ao amin’ny vondrona A no misy ny sokajy lehilahy, miaraka amin’ny Egypta, Rwanda ary Botswana. Vondrona B kosa ny misy ny sokajy vehivavy miaraka amin’ny Kenya, Tonizia ary Maraoka.

 

Mi.Raz

Partager sur: