Tafatsangana ny « Sehatra bagasy » any Frantsa. Io no anisan’ny voandalana lehibe nentin’ny R’Imbosa nandritra ny fandalovany tany an-toerana. Mialoha ny fifidianana dia ireto aloha no mitantana : Raiamandreny : Rakotonirina Wilson sy Hanta mivady. Filoha : Andrianasolo Rolland Rafiankinana sy Antso mivady. Mpitan-tsoratra : Rasoamahenina James sy Eliane mivady.
Tsy mivelatra ny hosodoko. Noho ny tsy fananany sehatra hoenti-mampahafantatra ny sanganasany, tsy hita taratra loatra ny fivelaran’ny sary hosodoko malagasy. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, tsy nisy efa an-taona maro ny « Hosotra », hany hetsika iraisam-pirenena ho an’ny mpanao hosodoko.
Hanatanteraka ny diany farany any Antsirabe amin’ity taona ity ny Tanora Masina Itaosy, ny 26 sy ny 27 aogositra. Hifandimby hiaka-tsehatra eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, manomboka amin’ny 1ora tolakandro, ny TGC, ny Tanora Masina Itaosy ary ny Iz’Art Gospel izay tompon-kevitra sady mpikarakara.
Tontosaina anio, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny resadresaka momba ny Lamba, ao anatin’ny fampirantiana “Lamba forever”; izay handraisan’ i Velotrasina Ludonie, tomponandraikitry ny fampirantiana sy Jo Aina, mpahay kanto, ary Dr Rasoafetra Bako, anjara amin’izany.