Ranolava ny fiantsoana ny filohan’ny repoblika am-perinasa ho kandidà. Anisan’izany ny Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo.
Ho fantatra amin’ity herinandro ity ny ho valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry, manoloana ireo antso samihafa avy amin’ny sehatra isan-karazany tato ho ato. Tsy maintsy mametra-pialana izy ny faha-9 septambra raha mbola hilatsaka. Manana hatramin’ny afakampitso izy hametrahana ny antontan-taratasiny eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Etsy ankilan’izany, manao ranolava ny fanohanana sy fangatahana azy ho kandidà indray. Anisan’ireny, ny fikambanana AFF, tarihin-dRavatomanga Haingo. Nanao fanambarana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Antanimena. “Nisy ny ezaka fanatsarana notanterahin’ ny fitondrana ka tokony hotohizana izany. Misy ny lesoka mila harenina saingy mino izahay fa afaka manao izany ny fitondrana. Noho izany, mangataka ny hanohizana ny ezaka efa vita izahay. Olona tokana ihany no azo itokisana sy maharesy lahatra anay ka mangataka ny firotsahan’ny filoha Andry Nirina Rajoelina izahay ary manohana azy amin’izany filatsahany izany”, hoy izy.
Tsy efan’ny irery
Nilaza ny filohan’ny AFF fa taon-trano tsy efan’ny irery ny adidy amin’ny firenena ka izy ireo hanampy ny filoha, amin’ny fijerena ny fampandrosoana ny eny ifotony sy ny firenena. Notsiahiviny fa nifanerasera tamin’ny vahoaka ny AFF. Manara-maso ny fiainam-pirenena. Mandray anjara amin’ny fitadiavana hevitra ho amin’ny fampandrosoana. “Niaina sy nandalo ny krizin’ny Covid-19 sy ny ady any Ukraine isika. Eo koa ny fahasahiran’ny rehetra. Na izany aza hita sy tsapa ny ezaka samihafa eo amin’ny sosialim-bahoaka, ny fananganana fotodrafitrasa, anisan’ny lalana hahatongavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ireo”, hoy hatrany Ravatomanga Haingo, filohan’ny AFF.
Synèse R.