Vita omaly, teny Ambatomirahavavy, ny kongresy nasionalin’ny antoko Fiombonana. Mazava ny tapak’izy ireo. “Tsy handrotsaka kandidà ho filoham-pirenena aloha izahay nefa misokatra amin’ny hery rehetra. Anton’izany ny tsy fahafenoan’ ny fepetra miantoka ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ahafahan’ny vahoaka maneho ny safidiny“, hoy ny sekretera jeneraly, i Durlin Retogniane. Nambarany fa mijery ny tombontsoan’ny firenena ny antoko. Matahotra korontana izy ireo ka tsy te ho tompon’antoka amin’izany rehefa tsy nohenoina na dia nanolo-kevitra aza.
Niaiky koa ny antoko Fiombonana fa mitombina ny hevitry ny FFKM. Fehin-kevitra izay milaza fa ilaina ny diniky ny mpisehatra rehetra hametrahana ny fepetra mialoha ny fifidianana isorohina ny fifandirana. Manambara ny fikambanana fa natao an-tery ny fifidianana teto ary tsy nisy teny ierana na niarahana nandrafitra ny fitsipika mazava. “Nahazo vahana ny fifanenjehana sy adilahy”, hoy ihany izy.
Synèse R.