« Pâtissier-traiteur » Vita ny lasim-panofanana

Tanterahina eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity ny atrikasa famolavolana ny lasim-panofanana momba ny “Pâtissier – traiteur”, iaraha-miasa amin’ny Institut Européen de coopération et de développement (IECD).

Dingana voalohany amin’ity atrikasa ity ny fampivondronana ireo manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny “Pâtissier – traiteur”, ireo mpampiofana matihanina ary ny solontenan’ny minisitera mpiahy. Nisy ny fiarahana namolavola ny tanjon’ny fiofanana ho famaliana ny kalitao ilain’ny tsenan’ny asa, hifanaraka amin’ny fahaiza-manaon’ireo “Pâtissier-traiteur”.

Manomana sahady ireo mpiofana ho amin’ny asa voakaly, manaraka ny kalitao sy ny fenitra takina ny tantsoroka eo amin’ny minisitera sy ny IECD sady maneho ny fahavononana amin’ny fampivoarana ny maha matihanina ny sehatry ny “Pâtissier -traiteur”. Efa maro ny sekoly manome fampianarana manamboatra mofomamy sy ny sakafo samihafa eto amintsika fa tsara ny misafidy ny sekoly teknika manaraka ny fenitra amin’ny votoatim-pampianarana.

Vonjy A.

Partager sur: