Niu Raza. Tanterahina ny sabotsy 9 septambra 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana hataon’i Niu Raza. Seho an-tsehatra ahitana dihy sy hira no ampanantenain’ity mpanakanto ity ny mpankafy azy. Efa lany tanteraka ny tapakilan’ny fampisehoana, omaly. Fotoana sisa, araka izany, no andrasan’ny rehetra.
“Vazo miteny”. Hihaona eny Antsahamanitra, ny alahady 10 septambra 2023, ny mpankafy vazo miteny. Hanatanteraka seho eny an-toerana amin’io andro io i Samoela sy Princio ary Rah-Chiky, izay anisan’ny sangany amin’ny fanaovana vazo miteny eto Madagasikara. Efa ao anaty fanomanana tanteraka ny mpikarakara sy mpandray anjara amin’izao fotoana izao.
“Soavaly Metaly”. Hotontosaina anio hariva, eny amin’ny Piment Café, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Kiaka, ao anatin’ny “Soavaly Metaly”. Hampifaly ireo mpankafy azy amin’ny alalan’ny hira nahafantarana azy hatramin’izay ny tarika amin’ity anio ity.
Slam Poésie musique. Hotanterahina anio hariva, eny amin’ny Louvre Antaninarenina , ny fampisehoana “Slam Poésie musique ». Fampisehoana Slam laroina mozika. Hanafana ny sehatra amin’izany ny Poety Rebely.