Sombim-baovao

Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao 30 voalohany hofidina amin’ny “Ballon d’or 2023”, tsy ao anatin’izany ilay portiogey, Cristiano Ronaldo, sy ilay kalaza brezilianina, Neymar Junior.

Ankoatra izay, ao anatin’ity lisitra ity ihany, i Kylian Mbappe, mpilalao frantsay sy i Lionnel Messi, mpilalao arzantinina.

Jude Bellingham, Anglisy mpilalao baolina kitra. Manana herijika ny handrombaka ny amboaran’ny mpilalao zandriny mendrika indrindra na “Golden Boy 2023”. Marihina fa izy no nampiditra baolina be indrindra amin’izao fotoana izao any Espaina. Miisa dimy izao ny baolina matiny. Tsiahivina fa milalao ao amin’ny Real Madrid Espagne i Bellingham.

Nahazo klioba vaovao i Romain Métanire, vodilaharana Barea de Madagascar.   Taorian’izay fotoana ela tsy nahitan’ity Malagasy mpilalao baolina kitra ity klioba izay, nahita fifanarahana tany Belgique izy. Ao amin’ny ekipan’ny RFC Seraing, diviziona faharoa Belzika izy no hilalao amin’ity taom-pilalaovana ity.

Hifarana rahampitso, ny “Cosafa Women, Champions league 2023”. Hitsara ny lalao hifanandrinan’ny DA Ladies Botswana sy ny Mamelodi Sundowns Afrika Atsimo, Razafitsalama Herilalaina, vehivavy malagasy mpitsara. Tsiahivina fa efa nitsara ny lalao tamin’ny fanokafana izy.

Partager sur: