Fanondranana olona: mpisandoka ho mpiasan’ny minisiteran’ny Toekarena tratra

Tratran’ny polisy ao amin’ny sampandraharaha pasipaoro sy ny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny fampiasana ireo antontan-taratasy hosoka (SCESLFD), ny faran’ny volana aogositra teo, ny lehilahy iray 52 taona. Nisandoka ho mpiasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy sady mahavita mikarakara taratasy hosoka hanaovana pasipaoro. Voasambotra ihany koa ireo mpiray tsikombakomba aminy. Ny 17 aogositra lasa teo,  nisy vehivavy malagasy iray saika hanao pasipaoro teny  Anosy. Nampiahiahy anefa ireo antontan-taratasy teny aminy ka voatery nalefa tao amin’ny polisy SCESLFD hanaovana fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa vehivavy saika halefa hiasa an-trano any Oman izy ireo. Hosoka avokoa anefa ny antontan-taratasy saika hanamboarany pasipaoro. Nolazainy anefa fa tsy mahafantatra izy hoe hosoka ireo antontan-taratasy ireo fa ity lehilahy mpisoloky ity no tompon’antoka tamin’izany. Nanao ny vela-pandrika ny polisy ka noraisim-potsiny izy. Tratra koa ireo mpanafatra vehivavy avy any amin’ny faritany sy ny vadin’ilay mpanao taratasy hosoka. Vehivavy dimy hafa tratra tao an-tranon’izy ireo saika halefa any Oman sy Arabie Saoudite. Nahatrarana fitombokase hosoka  amin’ny anaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola marobe tao an-tranon’ity mpisoloky ity. Ity lehilahy ity no miketrika ny fandefasana ireto vehivavy ireto any amin’ny tany Arabo. Nilaza izy nandritra ny famotorana fa 300 dolara isaky ny vehivavy iray lasa no azony. Karohina kosa ny lehilahy iray naman’izy ireo mpanao Visa.

Jean Claude

Partager sur: