Fifanakalozana: tsy mitsahatra mitotongana ny sandan’ny Ariary

Faritan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ny politikan’ny fifanakalozana eto an-toerana, ka ny tsena no maneho izany. Izany hoe, ny tolotra sy ny tinady no mamaritra ny sandan’ny  vola Ariary raha ampitahana amin’ny vola vahiny.

Nisongadina tato ho ato ny fitotongan’ny vola Ariary noho ny tsy fisian’ny tsena fifanakalozana, indrindra zara raha nisy, mba tsy hilazana hoe, tsy nisy tamin’ity taona ity ny lavanila avy aty Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ankoatra ny lavanila, tsy hita teo amin’ny tsena iraisam-pirenena ireo vokatra fototra fanondrana tokony hampidi-bola vahiny betsaka, na misy ihany fa kely, na tsy miverina ny vola vahiny. Raha be mpitady ny vola iray, mitombo ny sandany.

Tsy mitsahatra mitotongana ny vola Ariary, indrindra manoloana ny Euro.Tsy mbola hita ny tanjaky ny Ariary teo amin’ny tsena fifanakalozana, izay efa mananika ny 5 000 Ariary ny 1 Euro. Mandalo fotoan-tsarotra ny toekarena malagasy amin’izao, satria miankina betsaka amin’ny fanafarana entana sy amin’ny toekarena any ivelany.

Azo lazaina ihany koa fa maivana ny Ariary ankehitriny noho ny tsy fisian’ny fanondranana entana. Etsy ankilan’izay anefa, tsy mitsahatra mitombo ireo entana avy any ivelany, ary tsy atokisan’ny vahiny mpandraharaha loatra ny fampiasam-bola eto an-toerana. Tokony hitombo anefa ireo vokatra fototra fanondrana.

Tsiahivina fa ny Banky Foibe no an’ny fanjakana miantoka ny fahamarinan-toeran’ny Ariary. Amin’izay andraikitry ny BFM izay, adidiny ny mamaritra politika momba ny vola. Iantohany noho izany ny mamoaka vola ara-dalàna manerana an’i Madagasikara. Izy no banky fampiasan’ireo banky tsotra rehetra. Izy no banky an’ny fanjakana; mitantana ny fifanakalozana rehetra; miantoka ny asan’ny banky sy ny fandoavam-bola rehetra.

Satria mitombo ny entana miditra

Tsy mbola hita teo amin’ny tsenam-bola, efa mananika ny 5 000 Ariary izao ny 1 Euro. Io no sanda ambony indrindra hatramin’izao, araka ny fanamarihan’ny BFM. Nahazo aina tampoka ny Euro rehefa nandalo fotoan-tsarotra tamin’ny fiatombohan’ady any Ukraine. Nihamaivana rahateo ny Ariary rehefa tratry ny fisondrotan’ny vidim-piainana mandritra ny 2023, ary ao anatin’ny lalàna voalazan’ny tetibolam-panjakana, izay efa mahatratra 10,4 % ny fiakaran’ny vidim-piainana.

Ny fitomboan’ny entana miditra avy any ivelany no mampihen-danja ny vola eto an-toerana. Toy izany koa ny tsy fandrosoan’ny fizahantany tokony hampiditra vola vahiny betsaka. Izany no mahatonga ny mpahay toekarena mandrisika ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana hanao politika vaovao momba ny vola, mba tsy hampiova firy ny vidin-javatra, hisian’ny fitomboan’ny harin-karena sy manara-maso ny tahan’ny fifanakalozana.

Mila manao ezaka koa ny fanjakana amin’ny fampidirana vola vahiny. Mitaky politika matanjaka ihany koa amin’ny fandaniana volam-panjakana sy famerana ny fanafarana entana.

Misy « effet – valeur » sy « effet-volume »

Fanadihadiana nataon’ny mpahay toekarena iray, solontenan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) teto Madagasikara. Misy akony roa ny sandam-bola ambany : lafiny ratsy na « effet -valeur », lafiny tsara na « effet-volume ».

Mampiakatra ny vidin-javatra ny « effet-valeur ». Ho an’i Madagasikara, misondrotra avokoa ireo vokatra hafarana avy any ivelany, ohatra misongadina, ny solika, ny vary sy ireo fitaovana fampiasa. Eo amin’ny fanjifana, mampiakatra ny tahan’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny.

Ny  « effet-volume » indray amin’ny vola maivan-danja kosa, tsara petraka eo amin’ny fifaninanana amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra malagasy, toy ny fizahantany, lamba, izay mahazo vahana ankehitriny.

Miankina amin’ny politikan’ny BFM

Matetika anefa, ny lafiny ratsy  no malaky hita fa ny lafiny tsara somary elaela ihany vao tsapa. Tsy tena ratsy ho an’ny toekarena akory ny vola maivan-danja. Na izany aza, mila Ariary matanjaka i Madagasikara.

Satria miankina amin’ny politikan’ny BFM ny fifanakalozana, tolotra sy tinady, miankina amin’izay koa ny sandan’ny Ariary manoloana ny vola vahiny, matanjaka na maivan-danja. Nambaran’ny FMI fa mety amin’ny fifanakalozana ny politika ampiharina ankehitriny.

Mihena ny sandam-bola noho ny antony maro. Mety noho ny fisondrotry ny vidim-piainana, politikam-panjakana tsy marin-toerana sy noho ny antony ara-toekarena maro, toy ny tsy fahampian’ny entana aondrana any ivelany, ka tsy ampy ny vola vahiny miditra.

Manoloana izany, andraikitry ny Banky Foibe avy amin’ireo lalàna mifehy azy no miantoka politika momba ny vola tsy hisian’ny fiakaran’ny vidim-piainana be loatra. Nandalo fotoan-tsarotra, ohatra, ny BFM tamin’ny 1994, fotoana nialana tamin’ny « Franc malgache » nidirana tamin’ny Ariary, fampiasa hatramin’izao.

Anisan’ny politika nampiharin’ny BFM ihany koa dia nohamoraina ny famaritana ny zanabola, ka eo ny faran’ny ambony (facilités de prêt marginal) sy ny farany ambany (facilités de dépôts) ; notakina koa ny « Reserves Obligatoires » (RO), petra-bola faran’ny ambany ataon’ny banky any amin’ny BFM .

Nanantontosa: R Mathieu

Partager sur: